Manafara fitaovana événementiel mivantana avy Chine
Manampy anao izahay hahazo fitaovana événementiel mivantana sy azo antoka avy Chine
Vidiny Mivantana avy any Amin’ny Ozina
Mpamatsy Sinoa Voamarina
Fanaraha-maso ny Kalitao
Fanampiana amin’ny Livraison
Olana hita matetika rehefa manafatra entana avy aty Chine
Ny fividianana mivantana amin’ireo mpamatsy sinoa dia afaka mampihena be ny vola lany - raha misoroka ireo fahadisoana hita matetika.
Maro ireo orinasa miatrika olana toy ny:
Mpamatsy tsy azo itokisana
Fifandraisana ratsy amin’ny ozina
Tsy misy fanaraha-maso ny kalitao alohan'ny fandefasana ny entana
Entana tsy mitovy amin’ilay nafarana
Raha tsy mety ny fomba fanafarana entana, dia mety hahavery vola be anao ny mpamatsy ratsy iray.
Manampy ireo orinasa événementiel izahay hahazo entana mivantana avy amin’ny ozina atokisana sady mampihena ny risika.
Nahoana no miara-miasa aminay ?
✅ Mihena ny risika amin’ny mpamatsy
Koa satria izahay miorina aty China dia miara miasa amin’ny mpanamboatra voamarina fa tsy mpamatsy tsy fantatra.
✅ Mihena ny vidin'ny fitaovana
Mahazo vidiny mivantana avy any amin’ny ozina tsy misy mpanelanelana.
✅ Tsy mandany fotoana
Tsy lany fotoana amin’ny fifandraisana tsy misy farany amin’ny ozina sy fikarohana mpamatsy.
✅ Manara-maso kalitao tsara
Mihena ny olana hita matetika alohan'ny handefasana ny entana.
✅ Tsotra kokoa ny dingana rehetra
Manomboka amin'ny fividianana ny entana ka hatraminy ahazoanao azy.
Manara-maso akaiky izahay mba hanampiana ireo orinasa événementiel hisoroka ozina tsy azo itokisana, entana ratsy kalitao ary olana tsy ampoizina.
Tsotra ny tanjonay:
Hanampy anao hahazo entana tsara amin’ny vidiny mirary ary tsisy atahorana.

Ahoana fandehan'izy io?
1️⃣ Lazao anay izay ilainao
→ Alefaso aminay ny entana tadiavinao, sary, na hevitra fotsiny.
2️⃣ Mitady sy manamarina orinasa izahay
→ Mitady mpanamboatra atokisana izahay, mifampiraharaha amin’ny vidiny ary manamarina entana.
3️⃣ Manara-maso ny kalitao sy famokarana
→ Arahinay maso akaiky ny entana ary ny fifandraisana amin’ny mpamatsy.
4️⃣ Fandefasana & livraison
→ Karakarainay ny logistique ary ampianay ianao hahazo ny fitaovanao amin’ny fomba azo antoka.

Ohatra amin’ny entana azonao afarana

ary maro samihafa...
Ity serivisy ity dia mety tsara ho an'ny ...

Orinasa événementiels

Mpikarakara mariazy & mpanao décoration

Orinasa mampanofa fitaovana

Boîtes de nuit, bars & Lounges

DJs & Animateurs

Ireo vao manomboka amin’ny sehatry ny événementiel
Mila mpamatsy fitaovana événementiel azo itokisana aty Chine ianao?
Lazao anay izay ilainao dia hanampy anao hahazo entana mivantana avy amin’ireo mpanamboatra sinoa atokisana izahay.
FAQs
Ahoana no anombohako?
→ Mifandraisa aminay fotsiny amin'ny entana tadiavinao dia hitarika anao izahay amin'ny dingana atao.
Firy no tetibola ilaiko hanombohana?
→ Tetibola eo amin'ny $1,500 eo ho eo no tsara anombohana mba hahazoana vokatra tsara kokoa.
Miara-miasa amin'ny orinasa ihany ve ianareo?
→ Tsia. Miara-miasa amin'ny olon-tsotra manana tetikasa ihany koa izahay.
Afaka mahazo katalaogy ve aho?
→ Eny. Azonao atao ny mangataka ny katalaogy mivantana amin'ny alàlan'ny WhatsApp.
Afaka mikarakara fandefasana entana ve ianareo ?
→ Eny. Manampy amin'ny fandefasana entana izahay.
Hafiriana no tonga ny entana?
→ Miankina amin'ny entana sy ny toerana misy anao.
Ahoana ny fomba fandoavam-bola?
→ Manome toromarika mazava momba ny fandoavam-bola izahay alohan’ny hanatanterahana ny commande rehetra.
Misaotra anao nifandray taminay! Hiverina aminao haingana araka izay azo atao izahay





